Antso

Antso a song by Sakelidalana on Foxsoundi — Free Music, Smart Streaming for Everyone

Antso by Sakelidalana

Antso Lyrics

Azafady ry Sakelidalana ô
Sao mba nandalo teto ilay tiako
Nifamaly izahay mantsy omaly
Ny maraina izy tsy hitako intsony
Azafady ry Sakelidalana
Sao mba nandalo teto ilay tiako
Nifamaly izahay mantsy omaly
Ny maraina izy tsy hitako intsony

Nitomany izy nandalo teto
Kanefa aho noferany mafy
Tsy hanoro aminao 'zay nombany
Sy ny tanjona izay hiafarahany
Nitomany izy nandalo teto
Kanefa aho noferany mafy
Tsy hanoro aminao 'zay nombany
Sy ny tanjona izay hiafarahany

Lazao re ry Sakelidalana ô
Fa tiako tokoa izy iny
Tambazako vola ianao re
Raha toa ka milaza ny marina
Lazao re ry Sakelidalana ô
Fa tiako tokoa izy iny
Tambazako vola ianao re
Raha toa ka milaza ny marina

Tsy nahatanty ny aretim-pitia hono izy
Ka lasa namono ny tenany
Ka iry renirano zary e
No fasana mba nofinidiny
Tsy nahatanty ny aretim-pitia hono izy
Ka lasa namono ny tenany
Ka iry renirano zary e
No fasana mba nofinidiny

Adray re ry Voahangy!
Voahangy ô!
Nahoana no dia nosomparana
'Lay fitiavantsika
Fitia mbola feno hasambarana
Mijaly aho! Mijaly aho ry Voahangy malala ô
Satria ianao re... Ianao re no nahavita izao

Adray re ry Voahangy!
Voahangy ô!
Nahoana no dia nosomparana
'Lay fitiavantsika
Fitia mbola feno hasambarana
Mijaly aho! Mijaly aho ry Voahangy malala ô
Satria ianao re...
Ianao re no nahavita izao

From the album: Album (Diso tetika)