Bemolanga - Live

Bemolanga - Live a song by Mahaleo on Foxsoundi — Free Music, Smart Streaming for Everyone

Bemolanga - Live by Mahaleo

Bemolanga - Live Lyrics

Ny taona ity miherina,
Asa izay mba hoentiny
Ahiako mbola hiverina
Hitovy tamin'ny taona lasa
Ny zavatra raiketiny

Fa ny fanantenana
Efa mihena mitsilopy,
Fa tsy misy fihatsarana
Izay mety ho fiovana
Efa zary nofinofy

Ireo voa nafafy
Taona maro lasa izay
Ho an'ny zanaka aman-jafy
Mbola tsy vokatra ihany

Efa taona firifiry
No nantenaina hitondra soa
Ahi-dratsy no naniry
Ny tany maina avokoa

Mitombo ny faramandimby
Ny tany koa mihatery
Ny taona faly mifandimby
Mody marenina
Minia tsy mijery

Manahy aho fa tsisy hiova
Ny omaly tsy hiova volo
Toy ny fanaka eny an-drova
Tsisy nanombinana
Efa may daholo

Rahoviana no hitranga,
Asa angamba atsy ho atsy,
No ho tonga i Bemolanga?
Isika tsy ho lany vatsy

Rahoviana no hitranga,
Asa angamba atsy ho atsy,
No ho tonga i Bemolanga?
Isika tsy ho lany vatsy

Ny taona ity miherina,
Asa izay mba hoentiny
Ahiako mbola hiverina
Hitovy tamin'ny taona lasa
Ny zavatra raiketiny

Rahoviana no hitranga,
Asa angamba atsy ho atsy,
No ho tonga i Bemolanga?
Isika tsy ho lany vatsy

From the album: Live à l'Olympia (Edition integrale)